<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>G.C. Hugg</author>
<lyrics>[V1]
 Nandao Anao ela aho,
 Raiko ô !
 Izao dia te-hody aho ;
 Maniry hiankina an-tratranao
 Izao dia te-hody aho,
 // Inty tamy aho, Raiko
 malala ô
 Raiso ny tanako //

[V2]
 Maniry hanana fiadanam-po
 Izao dia te-hody aho,
 Sy mba hivesatra ny zioganao
 Izao dia te-hody aho,
 // Inty tamy aho, ..sns. //

[V3]
 Itambesaran'ny ota natao
 Izao dia te-hody aho,
 Matoky anefa fa horaisinao
 Izao dia te-hody aho,
 // Inty tamy aho, ..sns. //

[V4]
 Raha tsy mendrika ny ho
 zanakao,
 Izao dia te-hody aho,
 Ataovy ho isan'ny
 mpanomponao
 Izao dia te-hody aho,
 // Inty tamy aho, ..sns. //

[V5]
 Indro fa tazako ny sandrinao
 Izao dia te-hody aho,
 Mitsotra mba hisakambina re,
 Izao dia te-hody aho,
 // Inty tamy aho, ..sns. //</lyrics>
<title>Nandao Anao ela aho FFPM417</title>
<hymn_number>417</hymn_number>
</song>